banner banner banner
Vavaka Mahery Vaika Miisa 500 Hanoherana Ny Fanafihana Ara-Panahy
Vavaka Mahery Vaika Miisa 500 Hanoherana Ny Fanafihana Ara-Panahy
Оценить:
Рейтинг: 0

Полная версия:

Vavaka Mahery Vaika Miisa 500 Hanoherana Ny Fanafihana Ara-Panahy

скачать книгу бесплатно

Vavaka Mahery Vaika Miisa 500 Hanoherana Ny Fanafihana Ara-Panahy
Olusola Coker

Misy vavaka mahery miisa 500 anoherana ireo herin’ny aizina, hery ratsy, herin’ny mpamosavy ary ireo mpanapaka ny fahamaizinana rehetra eo amin’izao tontolo izao ity Boky ity. Araka ny voalazan’ny Efesiana 6:12 manao hoe: “Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.”

Misy vavaka mahery miisa 500 anoherana ireo herin’ny aizina, hery ratsy, herin’ny mpamosavy ary ireo mpanapaka ny fahamaizinana rehetra eo amin’izao tontolo izao ity Boky ity. Araka ny voalazan’ny Efesiana 6:12 manao hoe: “Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.” Rehefa mihevitra ny Vavaka anoherana ny herin’ny aizina isika dia mila mahatakatra fa ao anaty ady isika. Ady maro no mamorona ireo singa kely kokoa amin’ny tena zava-dehibe. Ara-pamaritana, ny ady dia mitaky fifanandrinana eo amin’olona anankiroa, eo amin’olona mifampiandany ary eo amina tafika, ary izy io dia izay karazana “fifaninanana na tolona na adihevitra maharitra ela” rehetra. Amin’ny maha-Kristiana antsika dia ao anatina ady ara-panahy amina karazany tsy voafaritra isika isan’andro. Ao anatin’ny ady lehibe dia iadiana amina toerana ifanandrinana samy hafa ny ady, noho ny antony samy hafa ary amina lentam-pahamafisana miovaova. Mitovy amin’izany ny ady ara-panahy. Tena misy ireo adintsika ara-panahy na dia tsy hitantsika ara-batana aza ny mpanafika. Izao anefa, azontsika atao ny mampianatra ny tenantsika ny fomba iadiana ireo ady ireo sy ny fomba iantraikàn’izy ireo amin’ny fiainantsika isan’andro. Mila manontany tena isika hoe “Inona no antony tokony hiadiantsika?” Tsy hahasoa antsika ny hampianatra ady ny tenantsika raha tsy mahita antony anaovana ilay ady isika. Zavatra tena iadian-kevitra tokoa eo amin’ny fanjakan’ny azo tsapain-tànana ny ady. Ireny toetra, finoana ary faharesen-dahatra ireny dia hifindra any amin’ny fanjakan’ny ara-panahy. Na izany aza, ao amin’ny fanjakan’ny ara-panahy dia misy ady mandeha na dia eo aza ny hevitsika manokana. Na isika mpandresy, na isika iharam-boina. Tonga i Jesosy ary naharesy. Efa azo any an-danitra ny fandresena amin’ny ady. Ao amin’ny Matio 28:18 dia miteny amintsika i Jesosy hoe “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” Ananantsika ankehitriny ny tombotsoa hànana fifandraisana mandrakizay amin’Andriamanitra.  Maro amintsika no miditra amin’izany fanekem-pamonjena izany amin’ny alalan’ny fahasoavana. Saingy tsy mikasika ny famonjena antsika fotsiny ny Matio 28:18; momba ny fandresentsika isan’andro ihany koa izy io, izay mitambatra ho fiainana feno fandresena ao amin’i Kristy. Ny fandresena isan’andro dia azo amin’ny alalan’ny fahafantarana sy finoana ary fahatakarana ireo ady izay iaretantsika isan’andro, na tsy manao na inona na inona ianao na manao zavatra ao anatin’izany ady izany. Tianao ho azo izao dia izao ve ny zavatra rehetra tian’Andriamanitra ho anao etỳ an-tany, sa te-hiandry ho tonga any an-danitra ianao vao handray ny fandresena sy fitahiana? Ao anatin’ity Boky ity dia ho takatrao ny Adin’ny Ady lehibe ara-panahy miaraka amina vavaka mihoatra ny 500 izay hahafahanao manohitra ireo herin’ny fahamaizinana ary ho mpandresy. Ireo vavaka ireo dia miantoka fa ho azonao indray ny fanananao sy ny fahafahana hahomby nomen’Andriamanitra anao ao anatinao. Ho azonao daholo ihany koa ny zavatra rehetra izay nesorin’ny Devoly taminao. Miatrika ireto fanamby manaraka ireto ve ianao, miaina amina toetran’ny antikristy ary manaraka ny Foto-pampianaran’izy ireo, Miaina tsy misy finoana, Fakam-panahy ara-nofo ho an’ireo tsy manambady, Herisetra ara-nofo, Fisaraham-panambadiana, Fahapoteham-piainana, Fahantrana, Tsy fisiam-pifantohana, Fikorontanan-tsaina, Filàna olona mitovy fananahana amin’ny tena, Filàna vehivavy mitovy amin’ny tena, Fiankinan-doha amin-java-mahadomelina, Tsy fananana asa, Tsy fananana tanjona mazava, Fikorontanan-tsaina, Kamo mivavaka, Tsy te hanompo an’Andriamanitra sy ireo maro hafa. Raha izany, boky tena tokony hovidinao ity boky ity. Raha misy atrehinao amin’ireo olana eo ambony ireo dia mila mahery setra ianao manao ireto vavaka manaraka ireto. Tsy misy olana mihoatra an’Andriamanitra.

1 Votoatiny

Fonony

Fampidirana

Teboka iaingam-bavaka mba hamotsorana ny herin'Andriamanitra

Fiatrehana Voalohany: Vavaka ady ara-panahy mandritra ny 7 andro

Inona no tokony hataonao raha ahiahinao ho tratran'ny fanafihana ara-panahy ny tenanao?

Fizarana B

Vavaka fanapahana ozona Tohiny)

Famantarana fampitandremana amin'ny fanafihana ara-panahy

Vavaka mba hahazoana ny tari-dàlana sy fiarovan'Andriamanitra

Mampiasa ny ràn'i Jesosy ho fitaovam-piadiana

Andro faha-16: Ady ara-panahy: Teboka iaingam-bavaka

Andro faha-17: Vavaka ho an’ny fanafahana amin’ota ara-nofo, Filàna olona mitovy fananahana amin’ny tena ary Fibiriohana ara-nofo.

Andro faha-18: Vavaka fanafahan-tena

Andro faha-19: Fanafahana tanteraka amina vady fanahy

Andro faha-20: Vavaka fanafahana amin’ny fanahin’i Jezebela

Andro faha-21: Vavaka anoherana ny herin'ny aizina

Vavaka amotehana ny angaredona satanika sy demoniaka amin’ny misasaka alina.

Vavaka mampitsahatra fampahoriana

Vavaka anoherana fanahy avy any anatin'ny ranomasina

Fanafahana amina menarana

Fanafahana amina fanodinkodinana ataon’ny demony

Vavaka mamotika ny fanahin’ny fandringanana

Mifandraisa aminay

Marika

Dr. Olusola Coker

1 Vavaka 500 anoherana fanafihana ara-panahy

BookRix GmbH & Co. KG

80331 Munich

Nadikan'i Jasmin Ralison

Natontan'i Tektime

© 2021 - Dr. Olusola Coker

1 Fampidirana

Misy vavaka mahery miisa 500 anoherana ireo herin’ny aizina, hery ratsy, herin’ny mpamosavy ary ireo mpanapaka ny fahamaizinana rehetra eo amin’izao tontolo izao ity Boky ity. Araka ny voalazan’ny Efesiana 6:12 manao hoe: “Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.”

Rehefa mihevitra ny Vavaka anoherana ny herin’ny aizina isika dia mila mahatakatra fa ao anaty ady isika. Ady maro no mamorona ireo singa kely kokoa amin’ny tena zava-dehibe. Ara-pamaritana, ny ady dia mitaky fifanandrinana eo amin’olona anankiroa, eo amin’olona mifampiandany ary eo amina tafika, ary izy io dia izay karazana “fifaninanana na tolona na adihevitra maharitra ela” rehetra. Amin’ny maha-Kristiana antsika dia ao anatina ady ara-panahy amina karazany tsy voafaritra isika isan’andro. Ao anatin’ny ady lehibe dia iadiana amina toerana ifanandrinana samy hafa ny ady, noho ny antony samy hafa ary amina lentam-pahamafisana miovaova. Mitovy amin’izany ny ady ara-panahy. Tena misy ireo adintsika ara-panahy na dia tsy hitantsika ara-batana aza ny mpanafika. Izao anefa, azontsika atao ny mampianatra ny tenantsika ny fomba iadiana ireo ady ireo sy ny fomba iantraikàn’izy ireo amin’ny fiainantsika isan’andro.

Mila manontany tena isika hoe “Inona no antony tokony hiadiantsika?” Tsy hahasoa antsika ny hampianatra ady ny tenantsika raha tsy mahita antony anaovana ilay ady isika. Zavatra tena iadian-kevitra tokoa eo amin’ny fanjakan’ny azo tsapain-tànana ny ady. Ireny toetra, finoana ary faharesen-dahatra ireny dia hifindra any amin’ny fanjakan’ny ara-panahy. Na izany aza, ao amin’ny fanjakan’ny ara-panahy dia misy ady mandeha na dia eo aza ny hevitsika manokana. Na isika mpandresy, na isika misy zavatra mahazo antsika. Tonga i Jesosy ary naharesy. Efa azo any an-danitra ny fandresena amin’ny ady. Ao amin’ny Matio 28:18 dia miteny amintsika i Jesosy hoe “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” Ananantsika ankehitriny ny tombotsoa hànana fifandraisana mandrakizay amin’Andriamanitra. Maro amintsika no miditra amin’izany fanekem-pamonjena izany amin’ny alalan’ny fahasoavana. Saingy tsy mikasika ny famonjena antsika fotsiny ny Matio 28:18; momba ny fandresentsika isan’andro ihany koa izy io, izay mitambatra ho fiainana feno fandresena ao amin’i Kristy. Ny fandresena isan’andro dia azo amin’ny alalan’ny fahafantarana sy finoana ary fahatakarana ireo ady izay iaretantsika isan’andro, na tsy manao na inona na inona ianao na manao zavatra ao anatin’izany ady izany. Tianao ho azo izao dia izao ve ny zavatra rehetra tian’Andriamanitra ho anao etỳ an-tany, sa te-hiandry ho tonga any an-danitra ianao vao handray ny fandresena sy fitahiana?

Ao anatin’ity Boky ity dia ho takatrao ny Adin’ny Ady lehibe ara-panahy miaraka amina vavaka mihoatra ny 500 izay hahafahanao manohitra ireo herin’ny fahamaizinana ary ho mpandresy. Ireo vavaka ireo dia miantoka fa ho azonao indray ny fanananao sy ny fahafahana hahomby nomen’Andriamanitra anao ao anatinao. Ho azonao daholo ihany koa ny zavatra rehetra izay nesorin’ny Devoly taminao. Miatrika ireto fanamby manaraka ireto ve ianao,

miaina amina toetry ny antikristy ary manaraka ny Foto-pampianaran’izy ireo, Miaina tsy misy finoana, Fakam-panahy ara-nofo ho an’ireo tsy manambady, Herisetra ara-nofo, Fisaraham-panambadiana, Fahapoteham-piainana, Fahantrana, Tsy fisiam-pifantohana, Fifanjevoana ao an-tsaina, Filàna olona mitovy fananahana amin’ny tena, Filàna vehivavy mitovy amin’ny tena, Fiankinan-doha amin-java-mahadomelina, Tsy fananana asa, Tsy fananana tanjona mazava, Fifanjevoana ao an-tsaina, Kamo mivavaka, Tsy te-hanompo an’Andriamanitra sy ireo maro hafa.

Raha izany, boky tena tokony hovidinao ity boky ity. Raha misy atrehinao amin’ireo olana eo ambony ireo dia mila mahery setra ianao manao ireto vavaka manaraka ireto. Tsy misy olana mihoatra an’Andriamanitra.

1 Teboka iaingam-bavaka mba hamotsorana ny herin’Andriamanitra

Ataovy ireto vavaka ireto indrindra amin’ny misasakalina ary ataovy miaraka amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny vavaka Salamo 35. Mialoha ny hanaovanao vavaka ady Ara-panahy mandritra ny 7 andro dia mila mamotsotra ny herin’Andriamanitra amin’ny tenanao ianao.

Andininy ao amin’ny baiboly: Salamo 62:11, Joba 26:14, Salamo 79:11

TOMPO ô, avotsory ny herinao be voninahitra hanohitra ny fahavalo ary aparitaho izy, amin’ny anaran’i Jesosy.

TOMPO ô, avy amin’ny tànanao no amotsorana hery sy fahatanjahana ary manapaka ireo fahavalonao Ianao, amin’ny anaran’i Jesosy.

Avotsotra hamely ireo herin’ny aizina ny herin’ny fahatezeranao, amin’ny anaran’i Jesosy.

Avotsotro ny herin’ny Tompo amin’izao fotoana izao, hanohitra ny demony REHETRA mifanena amiko, amin’ny anaran’i Jesosy

Afaka tanteraka amin’ny herin’i Satana mankamin’Andriamanitra aho, amin’ny alalan’ny ran’i Jesosy Kristy.

Mahery ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany aho.

Ry herin’ny aizina eto an-tanàna ampanekeo ny Tomponay ny herinareo, amin’ny anaran’i Jesosy.

TOMPO ô, mba asehoy ny herinao mahatahotra, mba hahatonga ny olona hino; mahagaga ahy ny herinao.

TOMPO ô, avotsory hanasitrana sy hanafaka ny herinao, amin’ny anaran’i Jesosy.

TOMPO ô, avotsory ny feonao mahery, amin’ny anaran’i Jesosy.

TOMPO ô, avotsotra amin’ny alalan’ireo apostolinao sy mpaminaninao ny herinao lehibe, amin’ny anaran’i Jesosy.

1 Fiatrehana Voalohany: Vavaka ady ara-panahy mandritra ny 7 andro

Andininy ao amin’ny Baiboly: 2 Korintiana 10:3-4, Zakaria 4:6

Andro voalohany Tompo ô rakofako amin’ny ran’i Jesosy ny tenako, ny ankohonako, ny asako, ny mpiara-miasa amiko.

Avotsotro ny afon’Andriamanitra hamotika sy handevona ny ozona rehetra nalefa hamely ahy, amin’ny alalan’ny Ràn’i Jesosy.

Atifitro miverina any amin’izay nandefa azy ny zana-tsipìka ratsy rehetra nalefa tatỳ amiko sy ny tokantranoko, amin’ny Anaran’i Jesosy.

Avotsotro ny Afon’Andriamanitra, ny Ràn’i Jesosy ary potehiko ny herin’ny famosaviana, fahafatesana, fahapotehana, aretina, fanaintainana, rojom-bavaka; emboka manitra sy ny fandrehetana labozia.

Foanako ny ozona rehetra nalefana hery ratsy tatỳ amiko sy ny ankohonako, amin’ny anaran’i Jesosy.

Tapahiko sy dorako ny tady volafotsy sy tsipi-pifandraisana tsy hita mason’ireo hery ratsy tsy avy amin’Andriamanitra, amin’ny anaran’i Jesosy. Hidìko tanteraka ao amin’izy ireo ny herin’izy ireo amin’izao fotoana izao, mba tsy hahafahan’izy ireo mampiasa izany hamelezana na iza na iza ary ho potika ny asan’izy ireo amin’izao fotoana izao, amin’ny anaran’i Jesosy.

Ambarako fa potika amin’ny anaran’i Jesosy ny ozona tsy fantatra rehetra eo amin’ny fiainako.

Ambarako fa maty izao dia izao ny ozon’ny famosaviana rehetra eo amin’ny anjarako.

Ambarako fa potika izao dia izao amin’ny anaran’i Jesosy ny fanekena ratsy rehetra nataon’ny tanàna misy ahy ka miantraika amin’ny fandrosoako.

Ambarako fa maty izao dia izao amin’ny anaran’i Jesosy ny famosaviana sy faneken’ny fanahy mahazatra anoherana ny fiainam-panambadiako, ampy izay.

Andro Faharoa

Andininy ao amin’ny Baiboly: Filipiana 1:27-30

Aoka ho tampina ary tsy hahita intsony ny maso manara-maso rehetra, amin’ny anaran’i Jesosy.

Aoka ny fiainako amin’ity taona ity hahita karazana hosotra izay hahatonga ahy ho lehibe kokoa noho ny razambeko.

Aoka tsy hamokatra amin’ny anaran’i Jesosy ny hetsika ara-panahy rehetra ataon’ny aizina anoherana ny fiainako.

Aoka ilay hery izay nanafaka an’i Jakoba tamin’i Labana hanafaka ny voninahitro amin’ny faharavana hafa.

Tompo ô avotsory amiko Ilay hery hahavitako ity taona ity mora foana.

Tompo ô amin’ity taona ity ny fiainako dia tsy ho toy ilay bibilava menarana izay tsy miaina mba hahita ny fifalian’ny taranaka ateraka velively.

Tompo ô, misaotra anao aho ny amin’ny hoavy be voninahitry ny fiainako sy ny olona amin’ireo sary ireo.

Aoka ho faty amin’ny anaran’i Jesosy ny fanahy rehetra miasa ao amin’ny maizina manohitra ny ankohonako.

Ataoko malemy amin’ny anaran’i Jesosy ny ezaka faharatsiana rehetra akendry ny anjarako.

Aoka ho rava amin’ny anaran’i Jesosy ny herin’ny alina rehetra izay manodinkodina ny anjaran’ny olona amin’ny alalan’ny nofy.

Andro Fahatelo:

Andininy ao amin’ny Baiboly: Efesiana 6:13

Aoka ho voasambotra amin’ny anaran’i Jesosy ny fanapahana sy hery rehetra manao iraka mikasika ny anjarako.

Tompo ô, afaho amin’ny fanodinkodinana ara-pamosaviana rehetra voavolavola hisintona ahy hidina aho, amin’ny anaran’i Jesosy.

Ry herin’ny fahoriana, tsy atolotra hofidìnao ny fiainako, mianjerà ary matesa amin’ny anaran’i Jesosy.

Aoka ho rava amin’ny anaran’i Jesosy ny fitaovam-piadian’ny fanafihana satanika rehetra narotsaka hanohitra ny fiainako.

Atsangako ny saina anoherana ny fanafihana rehetra ataon’ny mpanapaka ny fahamaizinana eo amin’ny fiainako amin’ny anaran’i Jesosy.

Atsangako ny saina anoherana ny fanafihana rehetra ataon’ny faharatsiana ara-panahy anoherana ny fiainako, amin’ny anaran’i Jesosy.

Aoka ho voasambotra amin’ny anaran’i Jesosy ny iraky ny faharatsiana rehetra manao iraka mikasika ny fiainako.

Laviko manomboka anio ny fanodinkodinana sy asa ara-panahy rehetra ao amin’ny nofiko, amin’ny anaran’i Jesosy.

Ny zana-tsipìka rehetra natifitra ny anjarako, aoka hiverina amin’izay nandefa azy amin’ny anaran’i Jesosy.

Ray ô, Arovy amin’ny endrika fanafihana ara-panahy rehetra amin’ny ràn’ny anaran’i Jesosy ny ankohonako, amin’ny anaran’i Jesosy.

Andro Fahefatra

Andininy ao amin’ny Baiboly: Hebreo 3:13

Tompo ô tafiho ny mpanafika ara-panahy rehetra izay manafika ny anjarako, amin’ny anaran’i Jesosy.

Ray ô, amin’ny alalan’ny afon’ny Fanahy Masina, ataovy tsy azo tafihina ny fiainako, amin’ny anaran’i Jesosy.

Aoka ho tapaka amin’ny anaran’i Jesosy ny ozona fantatra sy tsy fantatra rehetra miasa ao amin’ny maizina manohitra ny anjarako.

Aoka ho faty amin’ny anaran’i Jesosy izay mahery rehetra mampihatra ny ozona amin’ny fiainako.

Aoka ho tapaka amin’ny anaran’i Jesosy ny ozona talohan’ny niforonako tao an-kibo izay mampahory ny anjarako.

Aoka ho tapaka sy hiverina amin’izay nandefa azy ny ozona rehetra avy amina ozona mipetraka ho azy avy amin’ny ray aman-dreny manohitra ny anjarako, amin’ny anaran’i Jesosy.