banner banner banner
Vavaka Mahery Vaika Miisa 500 Hanoherana Ny Fanafihana Ara-Panahy
Vavaka Mahery Vaika Miisa 500 Hanoherana Ny Fanafihana Ara-Panahy
Оценить:
Рейтинг: 0

Полная версия:

Vavaka Mahery Vaika Miisa 500 Hanoherana Ny Fanafihana Ara-Panahy

скачать книгу бесплатно


Aoka ho hita ary ho faty amin’ny anaran’i Jesosy ny hery izay mampihatra ozona tsy fantatra anoherana ny anjarako.

Aoka ho tapaka amin’ny anaran’i Jesosy ny ozona rehetra izay mampijanona ahy amina fatotra mandrakizay.

Aoka ho tapaka amin’ny anaran’i Jesosy ny ozona miafin’ny fianakaviana nolovako.

Aoka ho hita ary ho tapaka amin’ny anaran’i Jesosy ny ozona rehetra taorian’ny niforonako tao an-kibo mahatonga ahy ho irery.

Andro Fahadimy

Andininy ao amin’ny Baiboly: 1 Korintiana 16:13

Aoka hiongotra sy ho tapaka amin’ny anaran’i Jesosy izay fanaraha-mason’ny ozona rehetra ao amin’ny fototro.

Tapaka amin’ny anaran’i Jesosy ny ozona tohanan’ny fanaovana ody ratsy mahazo ny fianakaviako.

Tapaka amin’ny anaran’i Jesosy ny ozona avy amin’ny fahazazana izay nolovako tamin’ny andro nanomezana anarana ahy.

Tapaka amin’ny anaran’i Jesosy ny ozona miasa manohitra ny lohako mba hitondra loza ho ahy.

Tapaka amin’ny anaran’i Jesosy ny ozon’ny fihodinkodinana fotsiny tsy ahavitan-javatra izay miasa manohitra ny fototro.

Miverina any amin’izay nandefa azy amin’ny anaran’i Jesosy izay fankatovana rehetra nalefa tamiko tamin’ny andro nahaterahako.

Aoka ho foana amin’ny anaran’i Jesosy izay fankalazana fomba demoniaka rehetra natao ho ahy tamin’ny fotoana nahaterahako.

Aoka ho foana amin’ny anaran’i Jesosy ny fombafombam-pianakaviana rehetra nitondra ozona tamin’ny anjarako.

Tapahiko amin’ny anaran’i Jesosy ny herin’ny ratsy eo amin’ny fiainako vokatry ny ozona tsy fantatra.

Tapaka amin’ny anaran’i Jesosy ny ozona miafina rehetra mampiroborobo fahantrana eo amin’ny fiainako.

Andro Fahenina

Andininy ao amin’ny Baiboly: 2 Tantara 32:6-8

Tapaka amin’ny anaran’i Jesosy ny ozona tsy fantatra rehetra izay mampiroborobo fihemorana sy fijanonana eo amin’ny fiainako.

Aoka ho tapaka amin’ny anaran’i Jesosy ny teny ratsy rehetra notenenina tamin’ny fiainako noho ny fombam-pianakaviana ary miantraika amin’ny anjarako amin’izao fotoana izao

Tapaka amin’ny anaran’i Jesosy ny ozona rehetra izay miasa tsy mijanona mba hanala baraka ahy.

Tapaka amin’ny anaran’i Jesosy ny ozona rehetra tonga amin’ny anjarako noho ny tsy fahalalana.

Tapaka amin’ny anaran’i Jesosy ny ozona tsy fantatra rehetra avy amina fifandraisana rava tany amin’ny lasa.

Ny ozon’ny fahamombana sy fahafoanana miasa amin’ny fiainako, tapaka sy miverina amin’izay nandefa azy amin’ny anaran’i Jesosy amin’izao fotoana izao.

Ny zavatra rehetra tsy nambolen’Andriamanitra tamin’ny fiainako, miongòta amin’ny anaran’i Jesosy.

Misaora an’Andriamanitra noho ny famindrampony sy ny valin’ny vavaka ataonao amin’ny anaran’i Jesosy.

Rakofako tsara amin’ny ràn’i Jesosy ny tenako ary mijoro hanohitra ny hery rehetra vonona hanohitra ahy aho.

Ny iraka satanika rehetra izay mody miseho ho mpanolotsaina mba hanipazana zavatra ratsy eo amin’ny fiainako; aoka ho afa-baraka amin’ny anaran’i Jesosy.

Andro Fahafito.

Andininy ao amin’ny Baiboly: 2 Tesaloniana 3:2

Raha mpitandrina ianao dia ataovy amin-kerisetra ireto vavaka manaraka ireto

Ny zana-tsipìka ara-panahy rehetra nivavahako hivoaka tamin’olona ka lasa ao amin’ny ankohonako amin’izao fotoana izao; aoka ho voatono amin’ny afo, amin’ny anaran’i Jesosy.

Ny demonin’ny fatotra ara-panambadiana rehetra izay nampiasan’ny Fanahy Masina ahy havoaka tamin’ny fanambadian’olona taloha, ary mampahory ny fanambadiako amin’izao fotoana izao; aoka hivotsotra amin’ny alalan’ny afo ny fihazonanao, amin’ny anaran’i Jesosy.

Ny demonin’ny fahalemena rehetra eo amin’ny fiainako na ao amin’ny ankohonako vokatry ny fanaovako asa fanompoana tamin’olona nitoeran’izany; mivoaha izao dia izao amin’ny alalan’ny afo, amin’ny anaran’i Jesosy.

Ny famosaviana an-tokantrano nampiasan’ny Fanahy Masina ny asa fanompoako havoaka, ka miantraika amiko na ny ankohonako amin’izao fotoana izao; aoka ho potika tampoka, amin’ny anaran’i Jesosy.

Ny famosaviana an-dranomasina rehetra izay romotra amiko sy ny ankohonako vokatry ny fandravana ny asan’izy ireo tamin’ny fiainan’olona; aoka hampanginina amin’ny alalan’ny ràn’i Jesosy.

Ny olona rehetra ao amin’ny ankohonako ampahorian’ny fanahy mahazatra izay navoaka tamin’ny alalan’ny asa fanompoako; mandraisa fanafahana avy amin’Andriamanitra, amin’ny anaran’i Jesosy.

Ny fanahy ratsy rehetra eny amin’ny lanitra manohana ny fanoherana ahy sy ny asa fanompoako; aoka ho afa-baraka amin’ny anaran’i Jesosy.

Ny fanahy manompo rehetra notendrena hanohitra ahy hanara-maso ny ora tsy iambenako; aoka hilatsahan’ny varatr’Andriamanitra ary hiala amiko, amin’ny anaran’i Jesosy.

Ny fivorian’ny fanaovana ody ratsy rehetra eto an-toerana natsangana hanohitra ny asa fanompoako; aoka handray batisan’ny fahapotehana maro lafy, amin’ny anaran’i Jesosy.

Ny hery rehetra maminavina zavatra ratsy ho ahy sy ny fanompoako, mianjerà ary levòna, amin’ny anaran’i Jesosy.

Ny hery rehetra mampivezivezy ny anarako amin-javatra ratsy vokatry ny asa fanompoako, mianjerà ary matesa amin’izao fotoana izao, amin’ny anaran’i Jesosy.

Ny iraka satanika rehetra izay efa ao anatin’ny vala miaraka amina tanjona hijery sy hanao tatitra momba ahy any amin’ny tontolon’ny ratsy; aoka ho hita sy ho afa-baraka, amin’ny anaran’i Jesosy.

Aoka ho sitrana amin’ny alalan’ny ràn’i Jesosy ny loza rehetra mifandray amin’ny asa fanompoana nahazo ahy.

Ny zavatra rehetra nalain’ny demony romotra tamin’ny fanambadiako, fiainako ara-bola ary ny fanompoako; aoka ho tafaverina avo zato heny, amin’ny anaran’i Jesosy.

Ny demony rehetra voatendry hisakana ny fahombiazako eo amoron’ny fahatafavoahana; mialà amin’ny alalan’ny afo, amin’ny anaran’i Jesosy.

Ny hery rehetra miteraka fahasarotana ho ahy amin’ny asa fanompoako; aoka ho voatono amin’ny afo, amin’ny anaran’i Jesosy. Ny hery rehetra miteraka tsy fahitan-tsitraka ary mamily ireo mpanampy notendren’Andriamanitra ho ahy, aoka ho potika tampoka amin’ny anaran’i Jesosy.

Ny zana-tsipìka rehetra nalefako ka niverina tatỳ amiko, miverena amina tanjaka avo zato heny, amin’ny anaran’i Jesosy.

Arovako amin’ny ràn’i Jesosy amina fihaonana, fiverenana mivory, fampitambarana indray ary fanampin-kery ratsy rehetra ny tenako, amin’ny anaran’i Jesosy.

Tsy hitranga eo amin’ny fiainako fanindroany intsony ny fahoriana, amin’ny anaran’i Jesosy.

Manomboka izao, aoka tsy hisy fanapahana, fanjakana, mpanjakan’ny fahamaizinana, fanahy ratsy eny amin’ny lanitra sy fanahy ratsy amina toerana voafaritra hampitebiteby ahy, satria mitondra ny mariky ny Zanak’ondrin’Andriamanitra ao amin’ny vatako aho.

Tompo ô omeo ny fahendrena takina aho mba hanaovako ny zavatra mety amin’ny fotoana mety.


Вы ознакомились с фрагментом книги.
Для бесплатного чтения открыта только часть текста.
Приобретайте полный текст книги у нашего партнера:
Полная версия книги
(всего 190 форматов)